Ny Mino Dia Matoky Ny Fitiavan’i Jesoa Na Inona Na Inona Zava-Mitranga Eo Amin’ny Fiainana

Ny Mino Dia Matoky Ny Fitiavan’i Jesoa Na Inona Na Inona Zava-Mitranga Eo Amin’ny Fiainana

Jn 6,22-29; Alatsinainy faha-3, Paka (05/05/25)

Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: “Raby, oviana no tonga teto Ianao?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky”.

Samy manana ny antony itadiavany an’i Jesoa tokoa ny olona tsirairay. Ireto vahoaka ireto dia mitady an’i Jesoa nohon’ny mofo maimaimpoana fa tsy nohon’ny finoana na fitiavana. Mitovitovy amin’izany koa ny antsika satria mitady an’i Jesoa isika tsy nohon’ny fitiavana sy ny finoana Azy, fa mba hangatahana fahasitrana fotsiny na angatahana zavatra materialy ilaina (vola sy harena): izany hoe mitady azy fotsiny isika mba hamaha ny olana manahirana antsika sy mba hameno ny banga eo amin’ny fiainantsika.

Tena ratsy izany toetsaina izany satria manao an’i Jesoa ho toy ny fitaovana ka ilaina rehefa misy ny manahirana, na toy ny sakafo ka ilaina rehefa noana. I Jesoa anefa dia tsy fitaovana fa olona mendrika ho tiavina ary Andriamanitra tokony inoana. Isika kristianina dia tokony mitady an’i Jesoa satria Andriamanitra mpamonjy antsika Izy. Aoka mba nohon’ny fitiavana sy ny finoana no itadiavantsika an’i Jesoa, satria raha tia no sady mino Azy isika dia omeny antsika daholo ny zavatra ilaintsika raha mahasoa antsika izany.

Ny mpifankatia marina tokoa dia mifanohana amin’ny zavatra rehetra ary izay mino ny fitiavan’i Jesoa dia mahazo izay ilainy. Izany no asan’Andriamanitra, hoy i Jesoa namaly ny vahoaka nanontany hoe: “Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?” Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.”

Asa sarotra izany satria sarotra ho antsika ny mino tanteraka, indrindra raha miatrika fitsapana. Ny finoana an’i Jesoa no asan’Andriamanitra, ka ny olona mino dia tsy mandao an’i: na misy mofo na tsy misy, na misy fahagagana na tsia, na mamaly vavaka na tsia, na marary na salama, na maizina ny andro na mazava, izany hoe ny mino dia matoky ny fitiavan’i Jesoa na inona na inona zava-mitranga eo amin’ny fiainana.

Ho valin’izany kosa, i Jesoa dia manome an’izay mino ny zavatra ilainy rehetra, ka izany no nilazan’i Jesoa hoe: “Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo”. Rehefa ts mahazo ny azatra ilaintsika isika dia mihevitra fa tsy tia antsika i Jesoa. Ny porofon’ny fitiavan’i Jesoa dia tsy ny fanomezana ny zavatra irintsika fa ny fanomezany ny tenany. Hoy mantsy ny toetsain’izao tontolo izao: raha tia ahy ianao dia omeo vola sy harena aho, ka matetika no ampiharintsika amin’i Jesoa ny fitiavana materialista tahaka izany, fa tsy izany ny fitiavana araka an’Andriamanitra.

Heriniaina Jc Ras

Photo Credits: www.facebook.com

© Apostolat Digital Md Paoly Antananarivo 2025