Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra

Dia nandeha an-kafaliana ny Apôstôly satria natao ho mendrika hitondra fahafaham-baràka noho ny Anaran’i Jesoa. Tamin’izany andro izany, nitsangana teo amin’ny Sanedrina kosa itý Farisianina anankiray atao hoe i Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.

Dia hoy izy: “Ry lehilahy Israely, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo olona ireo. Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teodasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efa-jato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona. Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy: kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.

Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha, satria raha avy amin’ny olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”

Dia narahin’izy ireo izany torohevitra izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany. Nony niala tamin’ny Sanedrina ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny amin’ny Anaran’i Jesoa. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory isan’andro tao an-tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no i Kristy.— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Rasolo Aris

Photo Credits: www.facebook.com

© Apostolat Digital Md Paoly Antananarivo 2025