Nahazo Eveka Mpanampy ny Diosezin’Antananarivo

Notendren’ny Papa LéonXIV ho EVEKA MPANAMPY AO AMIN’NY DIOSEZIN’ANTANANARIVO i Mompera RANDRIANIFAHANANA MAMIARISOA MODESTE, ary nomena ny fiketrahana episkopalin’i Giocondiana.

Toy izao ny momba an’i Mompera RANDRIANIFAHANANA Mamiarisoa Modeste
Izy dia teraka tamin’ny 17 jona 1967 tao Fiakarana Ambohitrimanjaka
Zanak’i Randrianifahanana Georges (efa maty) sy Ravaoarisoa Élisabeth (efa maty)
Nohamasinina ho diakra ny 7 aogositra 1996 tao Ambohipo (Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra no nanamasina)
Nohamasinina ho pretra ny 6 septambra 1997 tao Amparibe – Mahamasina. Ny Teny manentana azy dia «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.», (Joany 2,5)
Zanaka faha 11 amin’ny 14 nateraky ny ray aman-dreniny izy. 12 mianadahy izy ireo no velona ankehitriny (ny faralahy dia tsy azo raha vao teraka, koa izy izany no farany amin’ny lahy fa manan-jandry mirahavavy)

Ireto avy ny lalam-piofanana narahany

  • Ambaratonga fototra : 1973-1978 sekolim-panjakana ao Miadana Ambohitrimanjaka, nahazo ny CEPE
  • Ambaratonga faharoa : 1978-1982 CEG Anosisoa Ambohimanarina , nahazo ny BEPC
  • Lisea : 1983 – 1987 Seminera Zandriny Ambohipo, nahazo ny Bakalorea série C
  • Fanompoam-pirenena ivelan’ny Tafika: 1987- 1988 tao amin’ny CNaPS Ampefiloha
  • Seminera Propedetika : 1988-1989 Ambohipo.
  • Philosophat : 1989-1992 à Antsirabe
  • Régence 1992-1994 tao amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo
  • Théologat : 1994-1998 tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar – Ambatoroka.

Toy izao avy ireo iraka nampanaovina azy :

  • 1996-2003 : Aomonien’ny diosezy ho an’ny FET
  • 1997-2003 : Aomonien’ny diosezy ho an’ny Vaomiera Litorjika
  • 1998-2003 : Rektera lefitra ary avy eo rekteran’ny Seminera Propedetika
  • 2003-2017 : voairaka Fidei Donum tany amin’ny Diosezin’i La Réunion (Administrateur tao Hell-Bourg ny taona 2003 hatramin’ny 2005 ; vikera tao Trous-Bassins ary avy eo curé ny taona 2005 hatramin’ny
  • 2007 : curé tao Entre- Deux tamin’ny taona 2007 hatramin’ny 2017
  • 2017 – 2020 : curé tao amin’ny Distrika misioneran’Ambatolampy
  • 2020-2023 : Minisitra tao amin’ny ankohonam-piainan’ny mpanabe ao amin’ny Philosophat-n’ny Arsidiosezin’Antananarivo ao Antsirabe
  • 2023-2025 vikera jeneralin’ny Arsidiosezin’Antananarivo.

Miarahaba sy mirary soa ho an’i Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste isika ary miarahaba ny arseveka miaraka amin’ny Diosezin’Antananarivo ihany koa

Yvonne Rasoloarisoa

Photo Credits: www.facebook.com

© Apostolat Digital Md Paoly Antananarivo 2025